Ngita no anarany… Mpanakanto malagasy, mpamorona sy mpihira, avy any amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny. Mety vitsy no mahalala azy, satria monina any Frantsa rahateo i Ngita. Ireo sanganasany kosa anefa efa maro no re maneran-tany, satria mitrandraka indrindra izay “World music” izay izy. Tamin’ny taona 2011 no namoahan’i Ngita ny rakikirany voalohany “Zaho e”. Tamin’ny volana septambra lasa teo kosa vao tontosa ny vokatra faharoa, saingy tsy mbola nanao fampahafantarana izany izy.
“Amin’ny 8 marsa izao no kasaiko havoaka amin’ireo “plateforme” rehetra io rakikira io. Nosafidiako manokana satria misy hafatra maromaro ao anatin’ireo hira ireo”, hoy ny fanazavana nomeny. Misy hira 10 anatin’ity rakikira ity, izay nampitondrany ny lohateny “Mangina”. “Hira iray mitantara reny mankahery ny zanany lahy izay voadonan’ny fiainana io”, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.
Hanomboka amin’io 8 marsa io mihitsy ny fivoahan’ny rakikira anatin’ireo “plateforme de streaming”, hahafahan’ny Malagasy rehetra maneran-tany manjifa sy mahalala bebe kokoa ny mozikan’i Ngita. Mozika izay mifototra amin’ny gadona malagasy, toa ny batrelaky sy karagnila… Miresaka ny fiainana andavanandro, ny fiainan’ny vehivavy, ny fahasimban’ny ala sy ny tontolo iainana, sns.
Zo ny Aina