Orange Pro League: hihaona amin’ny Ajesaia ny Cosfa

Hanana endrika toy ny famaranana ny lalao anio sy rahampitso amin’ny OPL 2023. Anisan’izany ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia sy Cosfa ary ny Elgeco sy Disciples FC.

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro fahavalo ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL). Hihaona amin’ny Cosfa Analamanga ny Ajesaia Bongolava. Lalao ny kaonferansy avaratra hotanterahina ny alahady 5 marsa ho avy izao, eny Vontovorona. Andrasan’ny maro ity fihaonana ity, efa nifankazatra tsara ny roa tonta.

Tamin’ny fihaonana fa­rany nataon’izy ireo, nisaraka ady sahala 1 no ho 1. Lalao natao teny Von­tovorona ny 21 jona 2021 lasa teo. Fihaonana tafiditra amin’ny fifaninanana OPL 2021. Laharana faharoa ny Cosfa, amin’ny vondrona avaratra, manana isa 16. Fahatelo ny Ajesaia manana isa 11.

Tsiahivina fa, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny lalao, tamin’ny andro fahadimy nihaonan’ny Cosfa sy ny TFFC Boeny. Fihaonana notanterahina ny alarobia lasa teo, teny Ambohi­dra­trimo.

Hifandona ny Elgeco sy ny Disciples FC
Anisan’ny lalao andra­san’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC. Lalao hotanterahina anio eny amin’ ny kianjan’ny Elgeco By –pass. Marihina fa samy ao amin’ny vondrona atsimo ny roa tonta. Hanala vela ny Disciples Fc. Lavon’ny Elgeco tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipa tamin’ny OPL 2021.
Laharana fahatelo ny Disciples FC, manana isa 10. Fahadimy ny Elgeco Plus manana isa 9.

Fitia (Mpianatra asa)

Fandaharan-dalao ny andro fahavalo ny OPL

Kaonferansy avaratra
Sabotsy 4 marsa 2023
Kianja Toamasina
2 ora sasany : As Fanalamanga vs Fosa Junior
Alahady 5 marsa 2023
Kianja Ambohidratrimo
2 ora sasany : TFFC vs Tia Kitra FC
Kianja Diego
2 ora sasany : Asa Diana vs Uscafoot
Kianja Vontovorona
2 ora sasany : Ajesaia vs Cosfa
Kaonferansy atsimo
Sabotsy 4 marsa 2023
Kianja Elgeco
2 ora sasany : Disciples FC vs Elgeco Plus
Alahady 5 marsa 2023
Kianja Manakara
2 ora sasany : Dato FC vs Jet Kintana
Kianja Toliara
2 ora sasany : 3FB Toliara vs Zanakala FC
Kianja Elgeco
2 ora sasany : Mama Fc vs CFFA

Partager sur: