Tsy nahatohitra ny TFMA ny TFA. Resin’ny TFMA tamin’ny isa 19 no ho 14 ny TFA, teo amin’ny andro voalohany fifaninanana XXL Top 20 rugby. Lalao notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny omaly 5 marsa 2023. Nanjaka tanteraka ny TFA, nandritra ny 24 minitran’ny fizaram-potoana voalohany. Nahazo “Pénalité” roa ny TFA (6 min, 15 min).
Taorian’io, nahatondra baolina nentin-tanàna na “éssaié”, ny minitra faha-25, saingy tsy voatsara. Namiratra i Dina, mpilalaon’ny TFMA. Nahazo “Pénalité” ny TFMA ny minitra faha-33. Nisaraka tamin’ny isa 8 no ho 6 ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nampiseho ny heriny ny TFMA na boaikely manohitra,teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 19 no ho 14 ny TFMA Ankasina.
Nandresy ny Uscar
Nahazo fahombiazana sahady ny Uscar. Resin’ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’ny isa 31 no ho 19 ny 3FAI Ambalavao Isotry. Marihina fa nanokatra ny lalao voalohany ny Uscar sy ny 3FAI.
Fitia (Mpianatra asa)