Nifarana, omaly, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny Faritra faha-7, taranja Volley ball. Hanatsara ny fiomanana ny ekipan’ny GNVB, araka ny nambaran’ny mpanazatrany, Razafinjatovo Jean Honoré. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny GNVB vehivavy ary raraka teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny GNVB lehilahy. Toy izao ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanazatra Razafinjatovo Jean Honoré.
Gazety Taratra: Vita iny ny CAVBZone 7, ireny ny vokatra, inona ny azo ambara?
-Razafinjatovo Jean Honoré: “Tsy nampoizina ny vokatra ho an’ny GNVB lehilahy. Nieritreritra hanala vela amin’ny Tampon Gecko Volley Ball Sportif La Réunion kanefa resy teo amin’ny ampahefa-dalana. Mendrika kosa ny zava-bitan’ny GNVB vehivavy, izay laharana fahefatra.
Sambany ny nandray anjara ny GNVB vehivavy tamin’ity andiany faha-7 ity, ahoana ny fahitanao ny zava-bitany?
“Equipe révélation” ny GNVB vehivavy tamin’ity ary tena ekipa tsy nampoizin’ny mpifanandrina rehetra. Isaorana izy ireo fa tena nanatontona ny fahaiza-manaony rehetra ary mendrika ny teknika nasehon’ny tsirairay.
-Inona ny lesoka?Inona kosa ny mila ampiana?
*Fampitandremana ho antsika ireny faharesena teo amin’ny ampahefa-dalana sy mansa-dalana ireny. Ny fifandraisana teo amin’ ny “service” sy ny “contre” no tena olana ho an’ny GNVB. Hohatsaraina ny fiomanana ary izao dia efa hijery akaiky izany mba tsy hiverenan’ny toy izao.
Ahoana ny fahitanao ny fifaninanana tamin’ity andiany faha-27 ity?
Tsy nitovy ny tamin’ny andiany farany ny fifaninanana CAVBZone 7 tamin’ ity. Tena niakatra be ny lentan’ny mpilalao sy haavo teknikan’ny fifaninanana.
Nangonon’i Mi.Raz