Efa heno matetika eo amin’ny tontolon’ny taekwondo, indrindra ao Frantsa, Randriamiandrisoa Nicolas de Gonzague.
Mitantara ny niantombohany teo amin’ity taranja ity izy, izay efa 31 taona niangaliana ny taranja. Nanao Karaté tao Antsirabe ny taona 80, Randriamiandrisoa Nicolas. Nahazo ny tepana mainty 1er Dan. Nampianaran i Maître Richard tao amin’ny Lycée André Resampa no niatombohany (1986-1990 ) tao Antsirabe. Nanohy ny Karate tao Behoririka, RenShinkan tao amin’ny Maitre Solofo, ny faran’ny taona 1990, rehefa nifindra tao Antananarivo. Naheno izy fa hisy taranja vaovao taekwondo eto Madagasikara, anisan’ny namorona izy ireo tamin’izany. “Tsy dia nifanalavitra tamin’ny teknikan’ny karate ka avy hatrany dia tafiditra tsara. Hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy niala tamin’ny Taekwondo”, hoy i Nicolas Ragonz.
Tepana mainty 1er Dan Taekwondo ITF ny taona 1994
Tonga teto Madagasikara ny Taekwondo ITF (International Taekwondo Fédération Corée du Nord) tamin’ny 1992 , notarihin’ny Expert Koreana Maitre Kim Se In, nafaran’i Maître Cyprien. Nahazo ny tepana mainty 1er Dan Taekwondo ITF, roa taona taorian’izay ary nandrafitra ny ekipa nasionaly. Nanao taekwondo WTF (World Taekwondo Federation) izay niova ho WT (world Taekwondo) taty aorianaa. Maître Randriamandranto Roty no nampiditra io taranja io teto Madagasikara izay avy any Korea Atsimo.
Niaro ny voninahi-pirenena voalohany teo amin’ny sehatra afrikanina, Randriamiandrisoa Nicolas, ny taona 1996. Niatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika tany Afrika Atsimo izy, teo amin’ny sokajy 54 kg. Tompondaka an’i Madagasikara imbetsaka ary nisokatra teo amin’ny iraisam-pirenena ihany koa.
Tompondaka an’i Frantsa sy i Afrika
Maro ny fifaninanana goavana natrehany sy nahazoany vokatra tsara. Nanamarika azy indrindra, ny naha-tompondaka an’i Frantsa azy intelo teo amin’ny “combat” sy tompondakan’i Frantsa indroa teo
amin’ny Poomsae. Nampisongadina an’i Nicolas Ragonz ihany koa ny nahazoany ny tompondakan’i Afrika farany teo tany Kigali Rwanda, ny taona 2022. Manana ny maha izy azy eo amin’ny fitsarana fifaninanana Efa nitsara ny fifaninanana nandritra fiadiana ny tompondaka an’i Eoropa ny taona 2018 tany Torkia sy tompondaka eran-tany tany Korea izy. Tena nanamarika azy koa ny tamin’ny taona 2011 izay nahafahany nanao mpitsara iraisam-pirenena. Nanao “juge mondial” ny Poomsae izy no sady “arbitre international” ny Combat Kyourigi, Randriamiandrisoa Nicolas. “Vitsy ny afaka manao ireo zavatra roa ireo ao anatin’ny taona iray satria samy manana ny mampiavaka azy ireo”, hoy izy. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, tomponandraikitra teknika, tomponandraikitra ny mpitsara Poomsae ary filohan’ny mpitsara eo amin’ny lafiny fampiakara grady koa i Nicolas Ragonz. Iray ekipa tamin-dry Mamy,Serge, Liva… Misy betsaka ireo niaraka tamiko tamin’ny ekipa nasionaly ITF toa an-dRobinson Mamy mpihira, i Herizo mampianatra any Ambatolampy, i Serge Rasanda mpanao gazety, i Manankasina, i Erick, i Fafah, i Liva ary i Chantal. Tao amin’ny ekipa nasionaly WT kosa nisy an-dRandriamanantena Zazah, i Bob, Razakarivony Nicolas, Ramanantsilonina Andry, i Poussy. Nisy ihany koa teo amin’ny taranja karate.
1ere Dan ny zanany vavy
Maro amin’ny fianakavian’i Nicolas no tia fanatanjahantena. Karateka tepany mainty 1 er Dan tany amin’ny taona 70 ny rainy. Mpanao baolina kalaza ny zokiny lahy ary mpiangaly Taekwondo 1ere Dan ny zanany vavy. “Mila mametraka tanjona ary vitaina hatramin’ny farany. Tsy mora fa mila fanetren-tena sy ezaka lehibe, ny fanaovana fanatanjahantena”, hoy ny hafatr’i Nicolas. Mieritreritra ny hizara traikefa amin’ny tanora izy toy ny efa hataony ao Frantsa ary efa eo am-pandaminana izany.
Mi.Raz