Nifarana tanteraka, omaly, ny fifaninanana Alley Hoop FIBA 3×3, taranja basikety, andiany faha-4, nokarakarain’ny RDJ. Fifaninanana tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio des Jeunes ity hetsika ity. Niavaka tanteraka ny fifaninanana satria nisokatra ho an’ny sokajy maro tsy toy ny mahazatra. Nisy ny sokajy U17, U23, senior, vétéran, super vétéran ary ny “match de gala” natokana ho an’ny mpanohana. Nisy ihany koa ny fifaninanana Dunk sy “tir”. Tsy tapitra hatreo anefa ny amin’ity taona ity fa mbola hisy iray amin’ny faraparan’ny taona any, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Rdj, Rasolojaona Tahiana Harifetra (Jay Tax). Nohamafisiny fa nahafa-po ity andiany faha-4 ity ka hotohizana izay fiarahana mifaly miaraka amin’ny basikety sy ny tanora izay. Nisaotra ireo niara-niasa sy nanampy izy, anisan’izany ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ireo mpanohana rehetra. Raha hiverenana ny vokatra, nisongadina ny ekipa nasionaly Ankoay teo amin’ny sokajy seniors. Fanomanana sahady ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao afaka 3 volana rahateo ity Alley Hoop ity ho azy ireo. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy U23 vehivavy kosa ny ekipan’ny BABY B M rehefa nanilika ny Atlanta misy an-dry Taratra sy ry Anyssa, tamin’ ny isa 14 no ho 12. Nandresy teo amin’ny sokaky U17 lehilahy ny ekipan’ny The sons of God. Hotaterina amin’ny fotoana mahamety azy ny vokatra hafa.
Mi.Raz