« Mamy indray ny miaina » : hankalaza ny faha-90 taonany i Henry Ratsimbazafy

Fanirian’ny zanak’olombelona maro ny hahatratra ny 90 taona… Nofinofin’ny mpanakanto maro ihany koa ny hankalaza izany an-tsehatra. Tonga amin’izay taona maha konka azy izay i Henry Ratsimbazafy amin’ity taona ity, satria feno amin’ny 29 marsa izao ny 90 taona ho an’ity andrarezin’ny kanto malagasy ity.
«Mamy indray ny miaina», hoy ny tononkirany faramparany. Nialoha ny namoronany an’io, efa nanao veloma ny sehatra tokoa i Henry Ratsimbazafy, na dia mbola nahavita sy mahavita tsara aza. Noho ny fangatahan’ny mpankafy anefa, nanapa-kevitra ny hanohy ihany, ary tonga amin’izao fankalazana an-tsehatra ny faha-90 taonany an-tsehatra izao. Na eo aza ny vesatry ny taona, mbola mahazaka ny sehatra tsara i Henry Ratsimbazafy, ho fahafinaretan’ny rehetra izay miandry izany.
Fotoana tokana hatreto : 2 avrily amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antani­mena. Hotetezin’i Henry Ratsimbazafy an-kira ireo vanim-potoana mamy rehetra, niarahany tamin’ny mpankafy hatramin’izay. Tsy izy irery anefa, fa maromaro ireo mpanakanto hanotrona ity raiamandrenin’ny mozika malagasy ity mandritra io seho io.

Zo ny Aina

Partager sur: