Kitra – Fifanintsanana «Can 2023»: Nesorin’i Dupuis i Arnaud sy i Ramalingom ary i Fontaine

Fantatra omaly ny lisitra mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso amin’i Centrafrique, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2023”. Mbola voatazona i Jeremy Morel raha nesorina kosa i Ramalingom sy i Fontaine.

Navoakan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly talata, ny ana­ran’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar. Hano­mana ny fihaonana mandroso hikatrohana amin’i Centrafrique eo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023). Nampitomboin’i Nico­las Du­puis ho 25 ny isan’izy ireo raha 23 no nambarany tany am-piandohana.
Ankoatra an’i Abel Anicet, izay nilaza ny tsy fahavononany intsony, nesoriny tao anaty lisitra i Arnaud, milalao any El Gouna, Egypta sy i Rama­lingom, avy amin’ny Sedan. Izy mirahalahy izay samy lohalaharana avokoa. Naha­gaga ny maro ihany ny nanalana an’i Ramalingom, izay misongadina amin’ny famonoam-baolina ao amin’ny ekipa misy azy ary ampy lalao tsara. Naja­nona ihany koa i Fon­taine, vodilaharana izay vao haingana ihany no nahita klioba hilalaovana.
Mbola notazonin’ingahy mpanazatra i Jeremy Morel, anisan’ny zokiny indrindra ao anatin’ity lisitra ity. Mety ho ny traikefa ananany no antony mbola maha ao azy. Mpilalao 11 niatrika ny “Chan 2023” farany teo kosa manatevina ity Barea Can ity. Mpilalao vaovao i Boto Kenji Van sy i Ando Pro, zandrin’i Bolida. Nam­piana an’i Joma ihany koa ny mpiandry tsatoby raha 2 monja tamin’ny voalohany. Hanom­boka amin’ny herinandro ambony ny fampivondronana ireo mpilalao avy eto an-toerana raha miandry ny da­tin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) kosa ireo mpilalao mpila ravinahitra.
Ny alakamisy 23 marsa manomboka amin’ny 4 ora folakandro ny lalao mandroso, hatao etsy Mahamasina ary ny alatsinainy 27 marsa ny fi­haonana miverina, any Doua­la Cameroun, noho ny tsy fa­nanan-dry zareo Cen­trafrique kianja eken’ny Caf sy ny Fifa.

Tompondaka

-Mpiandry tsatoby : 1- Nina (Elgeco Plus) ; 2-Melvin (Thonon Evian) ; 3-Joma (Disciples FC)

-Vodilaharana : 4-Tantely (Disciples FC) ; 5-Kenji Van Boto (Auxerre) ; 6-Morel (US Montagnarde) ; 7-Berajo (Jet Kintana) ; 8-Datsiry (Elgeco Plus) ; 9-Dadafara (CFFA) ; 10-Sylvio (F91 Dudelange)

-Irakiraka : 11-Ando Pro (JSSP La Reunion) ; 12- Dax (Fosa Jr) ; 13- Tsiry Kely (Fosa Jr) ; 14 –Marco (Sporting Charleroi) ; 15-Amada (Al Qadsiah) ; 16-Rayan (Au­xerre) ; 17-Zotsara (FC Balti) ; 18-Lapoussin (RU St Gilloise) ; 19-Dorian (FC Arges Pitesti) ; 20-Koloina (Mouloudia Alger) ; 21-Njiva (Al Jandal FC) ; 22-Lalaina (CFFA)

-Lohalaharana : 23-Donisa (FC Arges Pitesti) ; 24-Jean Yves (Fosa Jr) ; 25-Abdallah (RE Virton)

Partager sur: