Tohivakana hatrany ny fisamborana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana niharo fahafatesana teratany karana iray tao Toamasina, ny 4 marsa 2023 teo. Tratra tao Tanambao Verrerie ny iray amin’ireo jiolahy anisan’ny namono ity teratany indianina ity. Fantatra araka ny fanangonam-baovao nataon’ny polisy fa mpanangom-baovao ho an’ireo jiolahy mialoha ny fanafihana ataon’izy ireo ny asan’ity lehilahy tratra ity. Anisan’ireo jiolahy nanao ny fanafihana ka nahafaty olona tao Mangarivotra ny 25 febroary 2023 lasa teo koa izy. Fanafihana farany nataony ilay nahafaty Karana iny teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mialoha ny fisamborana azy, efa voatifitry ny polisy, ny 5 marsa 2023 teo, koa ny namany iray mpanao fanafihana mitam-piadiana miaraka aminy. Nanamafy ny kaomandin’ny Fip Toamasina fa tsy mijanona hatreo fa mbola hitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.
Jean Claude