Miss Maman : naneho ny tsara avy aminy ny mpifaninana

Tontosa omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), Antsa­havola, ny filatroana voalohany natrehan’ny mpandray anjara tamin’ny hetsika “Miss Maman Madagascar”. Nifan­di­mby nilatro, naneho ny famoronany avy ny mpandray anjara manodidina ny 30 isa. Anisan’ny fepetra nifaninanan’izy ireo ny fanarahana ny lohahevitra “Comme une reine”.
Naneho ny famoronany manokana ny mpifaninana nandritra ity filatroana ity. Fepetra tao anatin’izany ny fahafehezan’ny mpandray an­jara ny famoronana nataony. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tokony ho naneho ny kolontsaina sy hanana ny heviny ny famoronana nataon’ny mpifaninana. Tokony ho fantany ihany koa ny singa rehetra nampiasainy tao anatin’izany famoronana izany. “Samy naneho ny tsara indrindra avy aminy avokoa ny mpifaninana tsirairay avy. Tsapa ihany koa ny fahaizan’izy ireo maneho ny kolontsaina maro samihafa. Samy mbola hiatrika ny dingana manaraka avokoa ny mpandray anjara tsirairay avy”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: