Noho ny sazy mianjady amin’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara, mety tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, hatao eto amintsika, ny ekipa tsipy kanetibe malagasy. Tsy voavaly ny fitakian’i Claude Azema, filoha iraisam-pirenena, taranja tsipy kanetibe.
Manahy ny tsy hisian’ ny taranja tsipy kanetibe amin’ny lalaon’ ny Nosy andiany faha-11 na JIOI 2023, atao eto Madagasikara, ny mpankafy tsipy kanetibe rehetra. Fifaninanana hanomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Araka ny vaovao omaly, tsy mbola voavaly ny fangatahan’i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena, taranja tsipy kanetibe.
Raha ny fanazavan’ Andrialemirovason Amiroudine, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe (FSBM), mitaky ny fanalana an-dRamatoa Rakotozafy Rosa, tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, i Claude Azema. Fototry ny olana teo amin’ny roa tonta ny vola. Anisan’izany ny tsy nandoavan’ny fanjakana ny saran-dalana nandehanan’ny ekipam-pirenena malagasy hamonjy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Togo, ny taona 2021. Marihina fa nitentina 50 tapitrisa Ar no naloan’ Itompokolahy Randriamarohaja Dolys, filohan’ny FSBM fahiny, nahafahan’ny ekipa malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninanana nandritra io fotoana io. Raha ny vaovao voaray, anjara asan’ny fanjakana malagasy ny miantoka ny fandehanan’ny delegasiona malagasy hanao fifaninanam-pirenena.
Tsy nanolo ny vola lanin’ ny FSBM ny fanjakana, nosazian’i Claude Azema ny taranja tsipy kanetibe malagasy. Nohamafisin’Andrialemirovason Amiroudine fa nisy ny fihaonana natao tamin’ny minisitry ny Fanatanjahantena vaovao, Resampa André Haja momba ny olana mianjady amin’ny FSBM. Araka izany, miankina amin’ny minisitera ny fandraisan’ny Malagasy anjara amin’ny taranja tsipy kanetibe amin’ny fifaninanana JIOI 2023. Tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra mihitsy ny Malagasy raha tsy voavaly ny fangatahan’i Claude Azema.
Hisokatra ny 18 marsa ny taom-pilalaovana
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 18 sy ny 19 marsa ho avy izao, ny taom-pilalaovana 2023 ho an’ny FSBM. Fifaninanana ho an’olona telo miaraka, hotanterahina eny amin’ny kianja PAC Ampitatafika. Ahitana sokajy efatra no handray anjara. Anisan’ izany ny sokajy “sénior” lahy sy vavy sy ny “vétérans” ary ny zandriny.
Tsiahivina fa efa nilaza ny hikarakara amboaran’ny filoha, amin’ny taranja tsipy kanetibe amin’ity taona ity ny ministeran’ny Fanantanjahatena.
Fitia (Mpianatra asa)