Tsara fidirana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra.
Fifaninanana izay tanterahina any Djibouti, nanomboka omaly 9 marsa ary hifarana ny 12 marsa izao. Nandresy avy hatrany ny ekipan’i Kenya ny solontena malagasy, teo amin’ny senior lehilahy, omaly, teo amin’ny fifaninanana isan-tarika. Tamin’ny seta 3 no ho 0 no nandavoan-dRakotoarimanana Fabio sy ny namany ireo ekipa kenyanina. Fandresena voalohany norombahan’ny ekipa malagasy tamin’ity fifaninanana ity, izay tena nanjakazakan’izy telo mirahalahy tanteraka (Fabio, Antoine, Nativel), satria samy naharesy 3 no ho 0 avokoa izy ireo. Mbola nitohy izany fahombiazana izany nanoloana an’i Ethiopie, ka seta 3 no ho 0 ihany koa no nisarahan’ny roa tonta.
Tsiahivina, 5 mianadahy no tonga any Djibouti hiaro ny voninahi-pirenena. Misy an’i Nativel Jonathan, Ravonison Stephan, Rakotoarimanana Fabio ary Razafinarivo Antoine, eo amin’ny sokajy lehilahy. Vavy tokana ny solontena Malagasy, eo amin’ny sokajy vehivavy, ahitana an-dRaharimanana Hanitra Karen. Tsy afaka nihazo an’i Djibouti kosa ireo roa vavy avy eto Madagasikara, Dimbiarilanitra Harena sy Raharijaona Santatriniaina, noho ny tsy fahampiana ara-bola.
Firenena miisa 14 no mandray anjara amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsinanana, sokajy seniors ity. Ahitana an’i Kaomoro, Ethiopie, Erythrée, Maorisy, Kenya, Madagasikara, Ouganda, Rwanda, Somalie, Soudan, Soudan Atsimo, Seychelles, Tanzanie ary Djibouti mpampiantrano.
Mahakasika ireo Malagasy mpilalao, mpila ravinahitra any ivelany avokoa izy 5 mianadahy miatrika ny ity fifaninanana any Djibouti ity ary manana ny maha izy azy. Vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena mbola ho avy izy ireo, anisan’izany ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara.
Mi.Raz