Lomano-Vive l’Avenir : mpilomano 230 mahery no andrasana

Hetsika efa ahafantarana ny klioban’ny Saint Michel isan-taona, ny fifaninanana “Vive l’Avenir”, ho an’ny taranja lomano. Raikitra in­dray ny fifaninanana amin’ity taona 2023 ity, ka hotanterahina rahampitso sabotsy sy ny alahady izao, ny andiany faha-11, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Manodidina ny 230 eo ny mpilomano andrasana, izay nanasana ireo klioba rehetra manerana ny Nosy, avy amin’ny ligim-paritra eo anivon’ny federasiona malagasin’ny lomano. Amin’ny maha «Avenir» azy, voakasika amin’ity fifaninanana ity avokoa ny sokajy rehetra, ma­nomboka amin’ny sokajy Poussins, Benjamins, Mini­mes, Cadets, Juniors ary Se­niors. Hampiavaka ity andiany faha-11 ity ny fisian’ny «course nocturne», izay hatao amin’ny alina, ka hanomboka amin’ny 8 ora alina izany, ara­ka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny klioban’i Saint Michel, Randriamampianina Helena. Tanjona, hoy izy, ny hampisandratana ireo mpilomano zandriny sy hijerena sahady ny taniketsan’ny ta­ranja lomano. Hanomezana voninahitra ihany koa ireo mpilomano efa sangany.
Araka ny fandaharam-potoana, amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no hanomboka ny fifaninanana, rahampitso sabotsy. Hotanterahina amin’io sabotsy io ihany koa ilay «course nocturne». Ho amin’ny alahady kosa, ha­nomboka amin’ny 8 ora ma­raina ny fifaninanana ary hatao amin’ny 12 ora atoandro ny fizarana ny amboara.

Mi.Raz

Partager sur: