Taorian’ilay fihintsanan’ny Paris Saint Germain FC (PSG), klioba Frantsay, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny «Ligue des Champions 2023» dia namoaka ny alahelony i Jérôme Rothen, mpilalao parizianina fahiny (2004-2009). “Tsy ilain’ny PSG ny manavao ny fifanarahana amin’i Lionnel Messi, lohalaharan’ny mpanjakan’ny «Ligue 1». Raha mbola milalao ao Parc des Princes izy dia tsy hijery baolina intsony aho», hoy izy.Tsiahivina fa resin-dRy Muller sy Choupo –Moting, lohalaharana Bayern, Alemà, ny ekipa Frantsay. Lalao miverina ny natao tany Allianz Arena, ny alarobia 8 marsa lasa teo.
Nohamafisin’ity lohalaharana parizianina fahiny ity fa tsy nampiseho fahavitrihana ny handresy mihitsy i Messi. “Tsy mitovy tamin’ny “Mondial 2023” natao tany Qatar, zava-bitan’ity mpilalao manana baolina volamena fito ity”, hoy ny fanamafisany ihany. Marihina fa nihintsana in-2 nisesy teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana tamin’ity taona ity ny PSG. Anisan’ izany ny nandresen’ny Real Madrid azy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, dingana faharoan’ny LDC.
Fitia (Mpianatra asa)