Nizara ny fahalalany mahakasika ny voambolana Malagasy i Riambola Mitia, ny volana janoary. Nanohy ny atrikasa momba ny fanoratana tantara kosa i Michèle Rakotoson, ny volana febroary. Fantatra kosa fa hotohizan’i Hobiana Andrianimerina izany, rahampitso 11 marsa amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny IKM Antsahavola.
Toa ireo namany taloha, mpanoratra ary efa namoaka asa soratra maro i Hobiana. Anisan’ireny ireo amboaran-tsombin-tantara, toy ny “Fanainga lavitra” sy ny tantara foronina “Rom-padinkena”. Avy amin’ireny sanganasany ireny ihany no hitarihany ny atrikasa, izay hifototra amin’ny lohahevitra “Ny filalaovana amin’ny teny: siran-daokan’ny tantara”. Izay fampiasana ny kilalaon-teny, amin’ny toerana maha mety azy anatin’ny tantara izay manavanana azy izay indrindra no hozarain’i Hobiana amin’ireo izay liana. Tsy hanavahana na mpianatra, na mpikaroka na mpanoratra, rehefa liana amin’ny literatiora dia afaka manatrika avokoa. Tsiahivina fa tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana isam-bolana ny fikarakaran’ny “opération Bokiko” ny atrikasa.
Zo ny Aina