Tontosa, omaly, tetsy amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra taloha sy vaovao eo anivon’ny Pavillon Analakely. Nanatontosa izany ny filoha taloha, Rtoa Sarah sy ny filoha vaovao, Atoa Rakotonirina Claude. Toarian’ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra, tsy nanaiky ny SMGD. Niroso tamin’ ny fifidianana ny ho filohany sy ny birao manampy azy izy ireo ny 3 marsa lasa teo. Lany tamin’izany Atoa Rakotonirina Claude, filoha hitantana indray ny tsena sy ny mpivarotra rehetra manomboka izao. Marihina fa mpivarotra ara-dalàna 345 ireo tonga nanatanteraka fifidianana. Tonga nanatrika ny lanonana teny an- toerana ny komitim-pifidianana eo anivon’ny tsena sy ireo solontenan’ny mpivarotra.
Mino (mpianatra asa)