Fitandroana filaminana : nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny GSIS ny Amerikanina

Nanatanteraka fanazaran-tena iombonana sy fifampizarana traikefa teny amin’ny masoivoho amerikanina, afakomaly, ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana eo anivon’ny ma­soivoho (RSO) sy ny vondron-kery manokana (GSIS) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ity fanamafisana fahaiza-manao ity, nahitana sarinady sy fomba firotsahana an-tsehatra raha misy hamehana. Samy nandray anjara tamin’izany avokoa ireo ekipan’ny RSO, GSIS, miaramila amerikanina, sivily mpiambina eo anivon’ny masoivoho ary ireo matihanina hafa mom­ba ny fiarovana sy fitsaboana.

Nanatri-maso ity fanazaran-tena ity sy nizara torohay tamin’ireo zandarin’ny GSIS ny Sekreteram-panjakana mi­adidy ny zandarimariam-
pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé, ny talen’ny kabine­tran’ny kaomandin’ny zan­darimariam-pirenena, ny Jly Andriantahina, ny lehiben’ny fibaikoana ireo vondron-kery manokana (CFS), ny Kly Ra­kotonirina Henri Lala ary ny kaomandin’ny vondron-kery manokana GSIS, ny Major Raveloson Jean. Nomen’ireo miaramila amerikanina karazana fitafy manokana ireo zandary ho fanehoana fankasitrahana ny fiarahana tamin’ izy ireo. Nentina nanason­gadina ny fifandraisana eo amin’ny masoivoho amerikanina sy ny mpiara-miombon’ antoka malagasy ary mampiseho ny fahaizan’ny ekipan’ ny masoivoho sy ny GSIS ity fanazaran-tena iraisana ity.

Jean Claude

Partager sur: