Nesorina tamin’ny efitrano fandraisana ny mpianatra teny Vontovorona, omaly, ary nakatona ny sekoly ambony, araka ny toromariky ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo. Namonjy fianakaviana avokoa ireo akaiky fa ireo avy any amin’ny faritra sisa no afaka mijanona. Nanatrika ny fanesorana ny mpiasan’ny oniversite sy ny mpitandro filaminana.
Mpianatra efatra eny amin’ny politeknika Vontovorona no hiakatra filankevim-pifehezana (conseil de discipline), ny 20 marsa izao, araka ny fampilazana nomena azy ireo, hoy ny fanazavana azo omaly. Tsy misy fanazavana ny anton’ny fiakarana Codis fa avy amin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo ny fampiantsoana. Voalazan’ny taratasy avy amin’ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo fa nanao hetsika tsy misy fahazoan-dalana ireo mpianatra sady naniratsira ny filohan’ny Repoblika nandritra ny hetsika nataon’ izy ireo. Ankoatra ireo mpianatra efatra hiatrika Codis, misy mpianatra eny Vontovorona telo naratra vokatry ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana. Mangana ny tarehy, vaky ny lohan’ ny iray ka voatery nozairina mihitsy. Voalaza fa nahitana naratra koa ny mpitandro filaminana, vokatry ny tora-bato avy amin’ny mpianatra.
Manoloana ny savorovoro, namoaka fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo fa mikatona nanomboka ny 9 marsa lasa teo, mandritra ny fotoana tsy voafetra, ny sekoly ambony politeknika Vontovorona. Tokony miala amin’ny trano koa ny mpianatra ka ireo tsy afaka manatanteraka izany, entanina tsy hanelingelina ny filaminana eny an-toerana , araka ny fanambarana ihany. Nampahafantatra koa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, fa noho ny fahazoana antso maro, nametraka lamina ny tomponandraikitra. Nivory niaraka ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny mpitantana ny sekoly ambony politeknika, ary ny mpianatra ny alakamisy teo nidinika momba izay. Samy manana zo hiaina anaty filaminana ireo manan-draharaha sy ny mpianatra ary ny mpivarotra eny an-toerana nefa matahotra izy ireo rehefa manao hetsika ny mpianatra satria misy hatrany ny zavatra simba sy korontana. Lasa mitarika olana eo amin’ny fiarahamonina ao anatin’ny Campus koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ka naneho ny ahiahiny ny mpianatra sasany, fanazavana hatrany. Nanamafy ny mpitantana fa azon’ireo mpianatra tsy manana toerana aleha ny mijanona.
Manameloka ny fanakatonana ny ESPA
Nanao fanambarana iraisana koa ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly, manoloana ny zava-misy eny Vontovorona. Manameloka ny fanakatonana ny sekoly ambony politeknika izy ireo ary manaraka akaiky ny momba ireo mpianatra efatra hiatrika filankevim-pitantanana. Nanamafy ireo mpianatra fa mahalala ny zavatra hiseho ny tomponandraikitry ny oniversite raha toa ka hahazo sazy ireo mpianatra voaantso ireo. Nomarihin’izy ireo koa fa lasa miteraka olana ny “digitalisation” amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana ary nisy ireo nanao fitarainana nefa tsy nahazoana valiny ho an’ny taom-pianarana 2021-2022. Mahatsapa ireo tanora mpianatra fa atao ankilabao ary tsy misy mpiahy ny fampianarana ambony ary sazy no azo rehefa manao fitakiana.
Vonjy A.