Notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny INTH Ampefiloha ireo mpivarotra hani-masaka 40 eto Antananarivo, omaly. Nisitraka izany ny ao amin’ny Tsenan’ny Zaimaika, Soamanantombo ary Mahamasina. Nampiofanina momba ny fikirakirana sy fandrahoana sakafo izy ireo. Eo koa ny vonjy taitra ary ny fisorohana amin’ny trangana firehetana. Tanjona ny hampiakarana ny lentan’ireo mpahandro sakafo eny anivon’ny tsena eto Antananarivo. Homanina handray ireo vahiny hanatrika ny lalaon’ny Nosy ihany koa izy ireo.
Ho sakafo madio
Olana tsy hividian’ny mpanjifa sakafo eny an-tsena ny tsy fahadiovana sy ny kalitaon’ny sakafo haroson’ny mpivarotra. Hialana amin’izany ny nanaovana izao fiofanana izao, raha nambaran’ny tompon’ andraikitra. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy fiofanana arak’ asa, ny FHORM (Fédération des Hôteliers Restaurateur de Madagascar) ary ny INTH (Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie) nahafahana nanatontosa izao. Tafiditra tao anatin’ny Vinan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina ny fampivoarana ny mpivarotra madinika. Anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny Tanàna izy ireo, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Mino (mpianatra asa)