Tsinjo fahasalamana an-tsekoly: mpitsabo mpanampy 20 nahavita fiofanana

Nahatratra 735 ireo mpi­tsabo mpanampy liana tamin’ ny firotsahana an-tsehatra hiandraikitra ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ka tonga nanatitra antontan-taratasy.
20 tamin’izy ireo no voafan­tina ary nanaraka fiofanana manokana hahafahana mandray an-tanana mivantana ireo ankizy tratran’ny tsy fahasalamana tampoka any an-tsekoly.
Noraisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena izy ireo ary nomena ny toromarika rehetra hahafahany manatanteraka ny asany. Nomena ta­blette sy ny fifanarahana arak’ asa ihany koa izy ireo tamin’ izany.
Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa zava-dehibe ny tetikasa Tsinjo fa­hasalamana an-tsekoly satria mamaly ny velirano fahefatra dia ny fanabeazana tsara kalitao sy ny velirano fahadimy, fa­hasalamana ho an’ny rehetra.
Raha misy ny tsy fahasalaman’ny mpianatra miseho tampoka, araka izany, eny anivon’ny sekoly dia ireo mpi­tsabo mpanampy ireo no hiandraikitra voalohany ny fikarakarana ireo mpianatra, hanao ny vonjy aina.
Matetika, mandritra ny fanatanjahantena no isehoan’ ny trangana tsy fahasalamana. Rehefa fotoan’ny ririnina, maro ireo mpianatra torana tampoka rehafa tsy misakafo maraina na vonton-katsiaka.

Tatiana A

Partager sur: