“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fanadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka ao ambohoka ka hatramin’ny faha-2 taonan’ny zaza no miseho ny fahatarana amin’ny fitomboana. Nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty, nitombo ho 6,9 tapitrisa ireo tratran’izany raha 5,5 izy ireo talohan’io. Firenena 12 no voakasika fa tsy mbola tafiditra ao i Madagasikara.
Namoaka tatitra momba an’i Madagasikara ny Unicef ny taona 2020 fa, misy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo ny fahantrana sy ny fanatonan’ ny mponina eny amin’ny mpitsabo nentim-paharazana ary ny tsy fahampian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka. Mbola maro rahateo ny olona monina any amin’ny 5km miala ny CSB, antony mampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana.
Nanamafy ny ezaka ataony miaraka amin’ny firenena voakasiky ny olana ara-tsakafo, toa ny eto Madagasikara ny Unicef, nanomboka ny taona 2022. Asa voalohany natao ny fitiliana ireo ankizy sy vehivavy tsy ampy lanja raha mitaha amin’ny taonany. Miantso ny fanjakana koa izy hampitombo ny sakafo ampiasaina amin’ny andavanandro notovonantsoa : koba, menaka fihinana, sira hisorohana ny tsy fahampian’ ny singa mpamelona. Eto amintsika, mbola ny koba ho an’ny ankizy sy ny sira ihany no sakafo notovonantsoa azon’ ny rehetra jifaina.
Vonjy A.