Notanterahina teny Andraharo, omaly, ny fanomezana ny loka ho an’ireo tompondaka isan-tsokajiny amin’ny fifaninanana Telma E-sport andiany faharoa. Natao hoan’ ny 4 voalohany ny lalao an’olon-tokana ,raha toa ka telo voalohany ny an’ny ekipa. Mitotaly 4 tapitrisa ariary mahery ny vola azon’izy ireo. Fifanintsanana naharitra, nandritra ny volana oktobra 2022 hatramin’ny 9 marsa 2023. Taranja “jeux video” ny E-sport, anisan’izany ny Naruto Shippuden, Dragon Ball Z, Street Fighter V, Fifa 23, League of legends Wild Rift, Dota 2 – Diviziona 1, Dota 2- Diviziona 2. Miisa 180 mahery ireo mpandray anjara. Nahitana lehilahy sy vehivavy. Tsiahivina fa ny volana aprily hatramin’ny jolay 2022 lasa teo ny andiany voalohany ho an’ny Telma E-sport.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo nahazo vola isan-tsokajiny
Naruto Shippuden Storm 4 :
RNG Majin Kirua : 250.000 Ar
IS Uchiwahero : 150.000 Ar
ExE Ravonarok : 70.000 Ar
ExE Problxm^^ : 30.000 Ar
Dragon Ball Z :
ExE Problxm^^ : 200.000 Ar
ExE Ravonarok : 100.000 Ar
IS Loduc : 70.000 Ar
IS Jin Mori
Street Fighter V :
AG1 Outlist
ExE KyuGo
AG1 Faceless
AG1 Maka
Dota 2 – Diviziona 1 :
Team Berserkers Gaming : 500.000 Ar
Team 999 : 300.000 Ar
MVP : Iniktus Corp Crocoboy : 50.000 Ar
Dota 2- Diviziona 2 :
Team Low Cost : 200.000 Ar
AO : 100.000 Ar
MVP : Jangily Town Childe
League of Legend Wild Rift :
Team Just Friends : 500.000 Ar
Team Narcos : 200.000 Ar
Team Excelsior : 100.000 Ar
Fifa 23 ( Mbola hivaly anio)