Nampahafantarin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby ny mpanao gazety, tetsy Ankorondrano, omaly, ny firafitry ny komity mpitantana sy mpanatanteraka. Fantatra fa mpikambana vaovao ny 6 ka misy mpanakanto iray sy vehivavy 2. Ankoatra izay, tafaverina ny 7.
Tsy mbola nampahalalaina ny mpampahalala vaovao ny anaran’izy ireo fa mbola hatolotra amin’ny fomba ofisialy. Notsiahiviny fa miavaka ny amin’ity satria mazava tsara avokoa ny andraikitra hiantsorohan’ny tsirairay fa tsy mitovy tamin’ny teo aloha. Nambarany ireo rafitra mifehy ny Malagasy Rugby, izay ny World rugby sy ny Rugby Afrique no eo amboniny. Mifanindran-dalana amin’io ny CIO (Komity iraisam-pirenena Olympika), izay fara-tampony, miaraka amin’ny CNO (Komity nasionaly Olympika), miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS), izay miahy ny rugby eto Madagasikara.
Nohararaotiny ny amin’ny fifidianana ho an’ireo ligim-paritra, tsy nahatontosa ny azy, izay tsy maintsy vitaina alohan’ny faran’ny volana avrily 2023. Notsiahiviny fa ny klioba miasa ara-dalàna ihany no hany afaka mifidy. Hisy ny fanaraha-maso akaiky azy ireny manomboka izao. Ho an’Antananarivo manokana, izay tsy mbola nahatontosa ny fifidianany, tokony hanao «conformité» sy «enregistrement» ary maka «licence» any amin’ny federasiona ireo klioba.
Nilaza Rakotomalala Marcel fa tsy mitsipaka ny fiaraha-miasan’ireo fikambanana amin’ny mpanohana avy any ivelany ny federasiona fa kosa tokony hampahafantatra ny hetsika ataony hisorohana ny mety ho fisandohana, toy izay efa nisy tamin’ny fotoanandrony. Ho hentitra ny Malagasy Rugby amin’ny fanaraha-maso mikasika izany, satria tokony ho ao anaty rafitra ara-dalàna avokoa ny rehetra.
Tompondaka