Dihy ara-panatanjahantena: hiatrika fifaninanana any La Réunion ny Malagasy

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any La Réunion, ny fifaninanana “Multi­dance”. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara.

Namaly ny fanasana avy amin’ny Komity re­zionalin’ny FFDanse Renioney, ny federasiona ma-lagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Voaasa hitsara ny fifaninanana sy hiatrika ny fi­faninanana izy ireo ka nihazo an’i La Réunion, omaly. Ny filohan’ny federasiona mala­gasin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rija­manitra no nitarika ny dele­gasiona malagasy, izay sady hitsara ity fifaninanana ity. Ny laharana fahatelo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara (danse sportive latine) kosa no Malagasy mpandihy hifaninana, ahitana an’i Toky sy i Valencia. Tsy afaka ny tompondaka sy ny tompondaka lefitra ka izany no antony nisafidianana ireto laharana fahatelo ireto, hiaro ny voninahi-pirenena any La Réunion. Araka ny fandaharam-potoana, anio sabotsy hariva no hanomboka ny hetsika ary hisy ny lanonana fa­nokafana. Ny alahady kosa no hanatontosana ny fifanina­nana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FMDS, Randriana­risoa Rijamanitra.
Manan-talenta eo amin’ity taranja ity ny Malagasy ka mian­drandra ny hahazo vokatra tsara sy hitondra avo ny dihy ara-panatanjahantena mala­gasy. Fotoana ihany koa ha­kana traikefa amin’ny Renio­ney amin’ity fifaninanana ity, satria araka ny fantatra dia “challenge” eo amin’ny samy Renioney no hotanterahina ary vahiny nasaina i Madaga­sikara.

Mi.Raz

Partager sur: