Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady ny andro fahasivin’ny fifaninanana “Orange pro league” (OPL) taona 2023. Lavon’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Zanakala FC, Matsiatra Ambony. Lalaon’ny kaonferansy atsimo, natao tao amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, omaly. Ny mpilalaon’i Fianarantsoa no nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina tafiditr’i Patrick, minitra faha-34.
Nanova paikady Rasoanaivo Titi, mpanazatra CFFA teo amin’ ny fizaram-potoana faharoa. Nosahalain’i Naina, irakiraka CFFA ny baolina, ny faha- 54 minitra. Nampian’i Carlos,lohalaharan’Andoharanofotsy ny isa teo amin’ny minitra faha-79. Araka ny vokatra omaly, manana isa 16 ny CFFA Andoharanofotsy amin’ity fifaninanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo vokatra teo amin’ny andro fahasivy :
Kaonferansy avaratra
Fosa Jr (1) vs (0) Uscafoot
Tia Kitra FC (0) vs (1) Ajesaia
As Fanalamanga (0) vs (0) Cosfa
Kaonferansy atsimo
Disciples FC (5) vs (1) Jet Kintana FC
Elgeco (3) vs (1) Mama FC
CFFA (2) vs (1) Zanakala FC