Efa nanao fanambarana indray ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo fa afaka miverina manohy ny fampianarana ny eny Vontovorona amin’ny fotoana mahamety azy. Naneho hevitra momba ny tranga eny Vontovorona koa ny mpampianatra mpikaroka.
Eo anatrehan’ny zava-mitranga eny Vontovorona ankehitriny, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa rariny sady hitsiny ny fitakiana zo ataon’ ireo mpianatra. Ao ny hiainan’izy ireo ao anaty tontolo milamina, mendrika antsoina hoe toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniversite sy ny hisitrahan’izy ireo vatsim-pianarana ara-potoana tsy misy banga, izay fototry ny hetsika teny Vontovorona. Manameloka tanteraka ny hetraketraka, ny korontana, ny fihoaram-pefy, ny fampiasana hery, ary indrindra indrindra ny fanimbana fananan’olon-tsotra na fananana iombonana ny mpikamban’ny Seces, sampana Antananarivo. Mitranga matetika anefa ireo raha vao misy ny sakoroka eny amin’ ny oniversite. Nohamafisiny fa miantso fandraisana andraikitra hentitra, hisian’ny vahaolana mahomby sady maharitra avy amin’ny mpitondra isan’ambaratongany ny mpampianatra fa tsy sanatria vahaolana vonjy tavanandro isaky ny misy olana.
Satria ambaran’ny fikambanan’ny mpianatra rehetra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fa niteraka olana maro ny “digitalisation” teo amin’ny fandraisana vatsim-pianarana ka nilaza ny mpampianatra mpikaroka fa tsy fanekem-pinoana na didy tsy azo ivalozana ny “digitalisation” ka tsy maintsy irosoana. Hita fa sady tsy voafehy no mampitombo ny fatiantoka ka ireo mpianatra no zary lasa fanararaotan’ireo olom-bitsy.
Mankahery an’ireo simba fananana sy mirary fahasitranana ho an’ireo naratra tsy fidiny ny birao.
Vonjy A.