CEG Nanisana : nanao fitokonana ny mpampianatra

Nitokona ireo mpampianatra eo anivon’ny CEG Nani­sana, ny zoma lasa. Nampiato ny fampianarana eny an-toerana izy ireo noho ny antony maro samihafa eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana. Ni­laza ho tsy manaiky ny fametrahana tale vaovao eo anivon’ ny sekoly izy ireo. Ankoatra izay, mbola tsy nisitraka “va­cation” nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny 2022 ihany koa izy ireo, hatramin’izao.
“Nanana tale raikitra izahay nanomboka ny fiatombohan’ny taom-pianarana teo fa nosoloina izy io ka natao tale mpisolo toerana”, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mpampianatra eo anivon’ny sekoly raha nanontaniana. Nilaza izy ireo fa tokony ha­verina ho tale raikitra ny tale mpisolo toerana nesorina io. Mitaky ny hanendrena mangaraharaha ny tale raikitra eo anivon’ny sekoly ireo mpampianatra. “Satria tombotsoan’ ny zana-bahoaka ny fanabeazana ka ilaina ny fahamarinana”, hoy hatrany izy ireo.
Nohamafisin’izy ireo fa efa nisitraka “vacation” avokoa ny mpampianatra rehetra eo anivon’ny Dren Analaman­ga ha­tramin’ity taom-pianarana ity. “Izahay anefa hatramin’ izao tsy mbola nandray na dia kely aza ka anton’izao fitokonana izao. Natao ankilabao izahay, ary niezaka nangina tao anatin’ izay fotoana lavabe izay”, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany.
Marihina fa efa nisy ny fitarainana teo anivon’ny tomponandraikitra fa tsy mbola nahitam-bahaolana izany. Mbola hi­tohy ny fitokonana raha tsy voavaha sy mahazo vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: