Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny
hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao.
Manoloana izany, nanatanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magnafana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao amin’ny “Bataillon médical” Ampahibe. Tao Mananjary no nanombohan’izy ireo izany, ny 4 marsa lasa teo, ka fizaham-pahasalamana maimaim-poana, fitsaboana nify, fanaovana vaksiny ireo zaza no anisan’ny asa nataon’izy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana izy ireo, miampy ny tohana ara-teknika avy amin’ny Direction centrale du service de santé militaire (DCSSM). Nitohy tao Manakara ny hetsika, ny 9 marsa 2023, ka marary maherin’ny 800 no efa nisitraka izany fitsaboana tao an-toerana.
Ny “Bataillon medical” (BMA) dia rafitra vaovao napetraka tao anatin’ny fanitsiana ny rafitry ny Tafika, eo ambany fibaikoan’ny Kly Ravaoavy Hariniaina ary ahitana miaramila mpitsabo sy mpisehatra ara-pahasalamana maro. Misahana sy miahy ny fahasalaman’ireo miaramila, indrindra ireo mamita iraka eny an-kianja. Manampy ny vahoaka malagasy amin’ny fiatrehana ireo ambana marolafy ka anisan’izany ny Covid-19. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo miaramila mpitsabo ireo tao anatin’izany. Hamafisina fa ny fananana miaramila mpitsabo ao anatin’ny ekipa manatanteraka ny iraka eny an-kianja dia mampihena ny taham-pahafatesana raha misy faharatrana sy tsy fahasalamana.
Jean Claude