Mpitsara malagasy tae-kwon-do tokana miady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Paris, Randriamiandrisoa Nicolas de Gonzague (Ra-Gonz), mipetraka any Frantsa. “Sarotra ny lalana diavina, mila herim-po sy herin-tsaina”, hoy izy.
Gazety Taratra (*) : Any Frantsa ianao Ra-Gonz, mbola manao tae-kwon-do sa efa mpanazatra?
Nicolas de Gonzague (-) : Amin’izao fotoana izao, samy mbola ataoko daholo izy roa. Na izany aza, efa mifantoka aty amin’ny fihetsika mirindra “poomsae” fa tsy miady “kyorugui” intsony. Ny taona 2009 no tsy nanaovako izany intsony. Omena ireo zandrikely indray ny sehatra sady ny tenako efa mihalehibe ka heveriko fa ampy izay, raha ny amin’ny “kyorugui”.
* Maninona no mbola mifaninana aty amin’ny “poomsae”?
– Efa niainana ary mbola iainana mandra-pahatapitry ny aiko ny tae-kwon-do ka sarotra ny miala aminy. Mbola mifaninana aty amin’ny “poomsae” aho satria mahatsapa fa matanjaka amin’ ilay izy. Porofon’izany, tompondakan’i Afrika, tamin’ny taona 2022. Mampianatra intelo isan-kerinandro aho ary manao fanazarantena adiny iray isan’andro.
* Ankehitriny, mpitsara iraisam-pirenena, tantarao ny lalana nodiavina tamin’izany.
– Niatrika fanadinana ho mpitsara iraisam-pirenena tany Suède ny taona 2011 ka afaka soa aman-tsara ary manana ny “grade de 2nde classe” tamin’izany. Nanomboka teo dia misahana izany fitsarana eo amin’ny tae-kwon-do izany. 12 taona izany izao ny nitsarako ireo fifaninanana samihafa, izay nahavoatendry ahy matetika. Ankehitriny, efa manomana ny fanadinana hakana ny “3ème classe”, izay mbola mandalo sedra samihafa.
* Inona ilay fiofanana natrehinao tatsy Algérie ny herinandro lasa teo?
– Fiadian-toerana hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), hatao aty Paris Frantsa iny. Misy dingana efatra tsy maintsy lalovana ka ny fahatelo iny notanterahina tany Algérie iny, ny 9-11 marsa lasa teo. Mpitsara 270 mendrika indrindra eran-tany ny niatrika io ka izaho irery ny hany Malagasy nanao izany. Maro ireo fitsapana nisedrana anay, ka mbola miandry ny valiny isika izao. Ny dingana farany hatao any Bruxelles, manomboka anio ka hatramin’ny zoma 17 mars, izao.
*Ahoana izany hoe mpitsara iraisam-pirenena izany?
– Tena nofinofy ho ahy ilay izy nefa zotram-piainana amin’ilay fanaovana tae-kwon-do. Atleta, lasa mpanazatra avy eo mpitsara iraisam-pirenena. Tombony amin’ilay izy, nahafahana nitety izao tontolo izao, ary nitsara ny adin’ireo kalazalahy sy kalazavavy amin’ity haiady ity. Na izany aza, asa sarotra ilaina herin-tsaina sy herim-po satria tsy afaka manaotao foana fa mitsara marina tsy mitanila, indrindra ao anatin’ny fifanandrinan’ireo samy sangany.
* Fahitanao ny tae-kwon-do eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao?
– Manana tanora mahay isika saingy rehefa tsy ampy fifaninanana iraisam-pirenena, tsy afaka mampitombo ny fahaizana sy ny traikefa. Mino aho fa raha misy fanaraha-maso akaiky azy ireo, mahazo vokatra tsara ny Malagasy.
*Afaka hampitainao ho an’ireo zandrikely ve ny fahaizana sy ny traikefanao?
– Mieritreritra ny hampiofana sy hifampizara traikefa any Madagasikara mihitsy ny tenako mialoha ny hiatrehana ny lalaon’ny Nosy, saingy mbola sarotra ny hoenti-manana amin’izany. Miezaka mifampiresaka amin’ireo namana ihany mba hahazoana manatanteraka izany, raha sitrapon’Andriamanitra.
Dinika nangonin’i Torcelin