Hotanterahina manomboka anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions” (LDC). Hihaona amin’izany ny Manchester City, Anglisy sy ny Leipzig, Alemà. Fifanandrinana hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium. Azo heverina fa hiady ny lalao, samy tsy manana tombony amin’ny isa ny roa tonta.
Nandritra ny lalao mandroso, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta. Hanana herijika handresy ry zareo Alemà, ny Cityzens, ny Man City no hampiantrano ny fifandonana. Samy manana traikefa amin’ny LDC ny mpifanandrina roa.
“Efa vonona tsara ny mpilalao, tsy hanaiky ny ho lavo eo amin’ny kianjanay izahay”, hoy i Pep Guardiola, mpanazatra ny Man Blue.
Hanala vela amin’ny Inter ny Porto
Ankoatra izay, hotontosaina anio koa ny fihaonana eo amin’ ny Inter Milan, Italianina sy ny FC Porto, Potugais. Ao amin’ny kianjan’ny Dragao. Hanala vela noho ny faharesena tamin’ny isa 1 no ho 0 nanoloana ny ekipa italianina ireo mpilalao portugais. Fandresena amin’ ny elanelan’isa roa vao tafita amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ny FC Porto. Marihina fa hampiantrano ny lalao ry Pepe, vodilaharan’ny FC Porto.
Fitia (Mpianatra asa)