Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Championnat Multidanse” natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly volafotsy i Toky sy i Valencia, izay nankasitrahan’ny mpitsara manokana ny fahaizan’izy ireo. Tsiahivina fa fanasana avy amin’i La Réunion ny nahafahan’i Madagasikara nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, ka nitarika ny delegasiona malagasy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena no sady tafiditra ho anisan’ireo mpitsara. Ankoatra ny vokatra tsara azon’ny Malagasy, nahazo traikefa tamin’ny Renioney ihany koa i Madagasikara ary afaka nisokatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny eto an-toerana, hiezaka hanatsara ny lentan’ny fifaninanana nasionaly sy hampiakatra ny teknikan’ny mpifaninana ny Federasiona. Ho fampandrosoana ny dihy ara-panatanjahantena eto Madagasikara no antony.
Mi.Raz