Tsy matetika ! Saika takona any ambadiky ny hafa hatrany ny bagasy. Iray amin’ireo vahaolana hialana amin’io tranga io ny fanatanterahina fifaninanana. Hanatontosa izany avy hatrany ny Sehatra bagasy.
Fanamby napetraky ny mpitantana vaovao eo anivon’ny Sehatra bagasy ny hanohy sy hampivelatra, araka izay tratra, ireo ezaka efa natao teo aloha hampitiavana ny bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan-dry zareo, izay hanomboka amin’io volana avrily ho avy io ny «Tsara hira tsara mozika» na ilay fifaninanana mihira gadona bagasy. Ny 1 avrily tolakandro, ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola no hisantarana izany.
Mpihira tsy mbola manana rakikira na rakitsary no hifaninana. Hanolotra hira roa isaky ny dingana izy ireo ka ny hira voalohany tafiditra eo anelanelan’ny taona 1920 – 1940 ny nahafantarana azy. Ohatra, ireo hira noforonin-dRainizanabololona, Rahamefy, Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Ratianarivo…). Ny hira faharoa, hoentina mifaninana, ireo nisongadina tamin’ny taona 1940 ka hatramin’ny taona 1960, tahaka ny hiran’i Therack Ramamonjisoa, Ranaivo Ranarivelo, Naly Rakotofiringa…). Izay tafiakatra amin’io dingana voalohany io, hiatrika ny dingana faharoa ny 6 mey. Tanterahina ny 3 jona kosa ny famaranana. Olona efatra raha maro indrindra ny ao anatin’ny tarika iray.
Ankoatra ny maha fifaninanana azy, ilaina ny ezaka tahaka itony satria ahafahana mitily ireo talenta vao mitsimoka. Ahitana ihany koa ireo talenta mivelatra mila fanohanana, sns. Vitsy rahateo ny fifaninanana bagasy kanefa anisan’ny hatahorana fatratra ny hahatonga azy ity ho saro-tadiavina afaka fotoana fohy. Raha ny fantatra anefa, iray amin’ ireo hira manana hery hoentina manabe, mitaiza, mananatra, sns, ny bagasy ka ilaina ny mihaino na mihira azy matetika.
HaRy Razafindrakoto