Mila mijoro ny filohan’ny Repoblika

Anatin’ny adilahy politika tanteraka isika eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Betsaka ny efa voalaza mikasika izay, avadika ny resaka sehatra hafa indray izy anio. Hisintona lakolosy hatrany anefa mba hahatonga saina antsika ho tafavoaka amin’ny karazan-tsedra maro lalovan’ny firenena. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra rahateo fa vahaolana. Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra.
Asiana tsindrim-peo manokana anio ny toekarena sy ny sosialy, izay fototra hivoahana amin’izao ady sarotra mipaka any an-tokantrano izao. Sehatra roa tsy azo tsinontsinoavina fa tokony ho lohalisitra. Tsy ny politika mihitsy no mibaiko azy ireo, fa ny mifanohitra amin’izay. Inona ary no tian-kambara ? Tsotra be, tsy tokony hisy ny ampihimam­ba ataon’olom-bitsy amin’ny lafiny toekarena. Aiza ka izay sehatra misy vola mihodina, dia ahitana taratra ireo vondron’olom-bitsy ireo avo­koa. Tsy misy tsy hidiran’izy ireny, eny fa hatrany amin’ny resaka fampi­dirana sy fanafoanan-ketra aza.
Ialana amin’izany, mila mandray fepetra haingana ny Filoham-pirenena, mifehy an’ireo olona manodidina azy. Indrindra fa ireo manao ity fomba mamotika ny sosialim-bahoaka sy ny toekarem-pirenena ity. Fotoana izao hifehezan’ireo tena, hitsinjovana manokana ny vahoaka. Ny fanomezan-danja ny sehatra tsy miankina hafa no hany vahaolana. Tsy maintsy miroso ny mpitondra amin’ny fanomezana hasina sy lanja ny mpandraharaha, ivelan’ny faribolan’ny mpitondra sy ny ekipany.
Tsy maintsy miditra amin’ny fanalalahana ny fifaninanana mba hahamaro ny tolotra, hipaka any amin’ny mpanjifa. Manginy fotsiny ny tokony mba hampitoviana lenta ny mpandraharaha amin’ny fampi­harana ny lalàna sy ny fiarovana azy ireny. Sehatra iray, tsy maintsy hidiran’ny filoham-pirenena an-tsehatra, ohatra, ny lavanila. Izao mampiaka-peo ny mpandraharaha, misy tomponandraikitra ambony, mampikatso tsotra izao ny asan’ny heverina fa mpifanandrina aminy. Tsy lazaina intsony ny kolikoly sy fanaovana ramatahora, ary ny fakana volabe amin’ny olona any ifotony. Tsy mahagaga fa olona an’arivony, nitokona tany Sava, mangataka ny hanafoanana ilay komitim-pirenena momba ny lavanila.
Santionany izany, mila manome vahana ny orinasa madinika, ny mpandraharaha isan-tsokajiny ny fanjakana. Tsy hisy fahagagana izany ka ahafoana ny fahantrana sy ny fahoriam-bahoaka anatin’ny indray mipi-maso. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra mifanome tanana sy mahay mifampitsinjo no hany lalan-kizorana.
Mazava be ! Tsy ny fanjakana no mamorona asa na ma­nam­pahe­fana hampidina vidim-piainana. Tsy izy no mpanolotra vahaolana mi­vantana fa tsy maintsy ireo orinasa na mpandraharaha. Antony iray fanampiny tsy maintsy hanomezan-danja ny hery velona rehetra izany. Mpanamora ny dingana arahina fotsiny ny fanjakana. Diso ny fanaba­doana ny vahoaka fa ilay « mesia », mpitondra fahagagana ny mpanao politika. Langolangon’ny te hahazo fahefana misimisy kokoa izany.
Mila miverina manome hasina ny vahoakan’ity Madagasikara ity ny sokajin’olona rehetra. Mila mijoro ho mpitarika izany ny Filoham-pirenena, mba mamerina am-bala ny olony !

r.r

Partager sur: