Vovonana nomerika amin’ny CEG 15: nahazo fampitaovana i Taolangaro

Anisan’ireo faritra misitraka ny fampitaovana nomerika ny foibem- pitondram- paritry ny fanabeazam-pirenena, faritra Anosy.

Notontosaina tao amin’ny CEG de Référence Taolagnaro ny fanolorana ny fitaovana ahitana “box 1” misy 65 Go isam-bo­lana afaka hampiasana ordinatera 30 sy fanapariahana ny vovonana nomerika vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka Unicef sy orinasa Airtel Madagascar.
Tonga nanotrona ny lanonana ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Anosy niaraka tamin’ireo mpiray om­bon’antoka. Tokony hokolokoloina tsara ny fitaovana ary hampazoto ny mpianatra hikaroka hirosoana amin’ny fanabeazana tsara kalitao.
Hampitovina lenta ny mpianatra malagasy, hiara hiasa mandritra ny dimy taona ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena sy ny orinasa Airtel ary ny Unicef. Hame­traka «ressources éducatives libres» ny telo tonta haha­zoan’ny mpianatra misitraka lesona, fizarana, fanazavana amin’ny fitaovana nomerika. Ho maimaimpoana ny fahazoana ny antontan-kevitra rehetra raha mampiasa ny laharana Airtel ilay mpianatra. Afaka mitsidika ny «plateforme» misy ny lesona ireo ma­nana «connexion».

Tsy mifidy kilasy…
Efa azo kirakiraina rahateo ity «ressources éducatives li­bres» ity ao amin’ ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Tsy mifidy kilasy, misy natokana ho an’ny ambaratonga samihafa ny loharanom-pahalalana no­­volavolaina izay tafiditra amin’ny fandaharam-pianarana eto amintsika. Faritra telo no hisantarana ny tetikasa: Anosy, Atsimo Andrefana ary Boeny. «Voasokajy ho marefo kokoa ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ ireo toerana ireo», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, Rabenan­drasana Théo­phil, nandritra ny fanaovan-tsonia ny tetikasa, ny volana febroary lasa teo. CEG 15 amin’ny faritra telo iasana no hanaovana andrana ka hisitraka conne­xion maimaimpoana ny mpianatra 14 000 izay hikirakira fi-taovana nomerika. Hanampy ny fahalalana any an-dakilasy izany. Mitentina 57 000 000 dolara ny sora-bola natokana hanatanterahana ny tetikasa aty amin’ny firenena 13 aty Afrika miaraka amin’ny Airtel Afrika.
Araka ny fanadihadiana MICS 2018, zaza iray amin’ny roa ihany no mahavita ny ambaratonga fototra eto Ma­dagasikara. Tanora 27 amin’ny 100 no tody amin’ny am­baratonga faharoa ary 13 amin’ny 100 no mahavita hatramin’ ny kilasy famaranana. Mbola nanampy trotraka ny zava-misy ny fisian’ny valanaretina Covid-19 nampiatoana ny fampianarana.

Vonjy A.

Partager sur: