Vitsy ny tanora sy ny ankizy no tena mahafantatra ny tantaran’ny tolom-panafahana. Maro ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fampahafantarana izany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny horonantsary.
Hotontosaina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fandefasana ny “Fahavalo”, horonantsary mampahatsiaro sy mitantara ny zava-nisy nandritra ny tolom-panafahana 1947, notontosain’i Paes Andriamonta Marie Clemence. “Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany, sy ny niainan’ireo Malagasy tia tanindrazana. Izany indrindra no nanaovana ny fampisehoana ho maimaimpoana ary ho an’ny rehetra”, hoy ny mpikarakara.
Maro ny tsy mahalala ny tantaran’ny fireneny, indrindra ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fampahafantarana izany no anton’izao fandefasana horonantsary izao. Nantsoin’ny Frantsay hoe “Fahavalo” ny Malagasy mpikomy. Nikomy nanoloana ny rafitra mpanjanaka teto Madagasikara, ny taona 1947. Ny fitantaran’ny vavolombelona niatrika izany fikomiana izany, ny tahirin-tsary, ny mozikan’ny mpahay kanto nivetso iny ady iny, tsongaina manokana ny an’i Régis Gizavo. Ireo rehetra ireo no natambatra nahafahana nahazo izao tantara izao. “Zava-dehibe ho an’ny olom-pirenena ny fahafantarana ny tantaram-pireneny. Mahatsiaro tena ho manana adidy sy andraikitra amin’ny fampahafantarana izany izahay, indrindra ity tantara voageja ity”, hoy i Paes Andriamonta Marie Clemence, mpanatontosa horonantsary.
Efa nisy ny hetsika nandefasana ity horonantsary ity, na teto an-toerana izany na tany ivelany. Fahombiazana no azo tamin’izany. Noho ny fangatahan’ny mpankafy sy ny tsy nanana fahafahana tamin’izany no namerenana izao hetsika izao.
Lin (Mpianatra asa)