Slam Mastering Contest : mitarika vonjimaika i Sensei

Azon’i Sensei na i Mathieu Aina Sitraka, ny laharana voalohany vonjimaika, taorian’ny fihodinana voalohany tamin’ny “Slam Mastering Contest”, no­tanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny isa 29.2 no nahazoany izany laharana izany. Raha tsiahivina, mpanao Slam efa matihanina miisa 5 no mifaninana ao anatin’ity fifaninanana ity. Hanentana ireo hetsika Slam, ara-dalàna, izay mandeha isam-bolana izy ireo ka isaky ny faran’ny volana no mivoaka ny filaharana.
Sensei na Mathieu Aina Si­traka, araka izany, no lohalarana taorian’ireo hetsika Slam natao ny volana marsa. Tojo Ny Aina Indiamahery na India no eo amin’ny laharana faharoa, miaraka amin’ny isa 27.4. Rajoe­lison Ludo no fahatelo (isa 26.9). Rajaonarivony Ma­na­kasina no fahefatra (isa 26.5) ary Andrianiaina Nomenjana­hary Orlando no fahadimy (isa 24.5) izay mamarana ny filaharana hatreto.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: