Tontosa teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny 30 marsa 2023, ny fampahafantarana ny “Raini-dedaka”, horonantsary novokarin’ny Beyond Mada, tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Masoivoho, amin’ ny tetikasa « Cinema am-pokontany ». « Tanjona ny hitaiza sy hanabe ny olom-pirenena, indrindra ny ankizy, amin’ny alalan’ny kolontsaina », hoy i Anjara Rasoanaivo, Sekretera jeneralin’ny fikambanana Masoivoho.
« Mampiala voly ny vahoaka ao anatin’izao fahasarotan’ny fiainana izao no tanjonay voalohany. Faharoa manaraka izany, ny fampahafantarana ny zava-misy sy ny fepetra tokony horaisina manoloana izany », araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Masoivoho hatrany. Niainga tamin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka ankehitriny no namolavolana sy nisafidianana ny lohahevitry ny horonantsary. Nofidina manokana ihany koa ny mpilalao mba hahamora ny fanatrarana ny tanjona. Mpanao hatsikana, mpiasa amin’ny haino vaky jery. Hatsikana maro nentin’ireo mpilalao no nandravahana ny horonantsary.
Lin (Mpianatra asa)