Dr. R. Fabrice – Kolo saina : « Ilain’ny fandriampahalemana  ny toe-tsaina Gasitsara »

Miteraka toe-tsaina vao­vao ny fanoloana ny anarana « Malagasy » ho « Gasi­tsara ». « Ny fandrenesana sy fampiasana io anarana io isan’andro, ampy hanova zavatra lehibe eo amin’ ny fiainan’ny Malagasy », hoy ny Dr. Randriamahe­nina Fabrice, mpitsabo sady mpandinika momba ny tantara sy ny fiarahamonina. “Rehefa tafapetraka ao amin’ny tsirairay ny toe-tsaina tia karokaroka, miasa, manatsara, manaja ny ni­sasaran’ny hafa, hoentin’ ilay toe-tsaina Gasitsara, azo inoana fa hanitikitika ny any anaty fo sy ny sain’ ny jiolahy, mpandroba, sns, izany», hoy izy. Tsy maintsy hitady loharanom-bola madio izy ireo na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe.
Miparitaka ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy. Raha ao amin’ny tsirairay anefa ilay toe-tsaina Gasitsara, tia mikaroka ny ho amin’ny famokarana madio, inoana avy hatrany fa ilay fahatsilovan-tsaina entiny hanamboarana basy, hoentiny hamoronana fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (milina maro isan-karazany, angadin’ omby, sns…) mba ho tombon-tsoan’ny besinimaro. Raha mbola minia manohy ny tsy mety anefa izy, tsy maintsy hanitsy azy ny fiarahamonina rehefa eo ilay toe-tsaina Gasitsara.
Fiparitahan’ny zava-mahadomelina, miteraka tsy fandriampahalemana. Eo anatrehan’izany, ilay toe-tsaina Gasitsara miantso sy mitaiza ireo tanora ho olom-banona sy ho tompon’andraikitra, Hahay hisafidy ny tsara sy ny mahasoa ha­trany. Hitondra hafanana eo anivon’ny tokantrano, Hi­tondra vitrika ho an’ireo tanora na ireo olona misedra olana. Matetika ireo olana misy eo amin’ny fiainana an­davanandro no mahatonga ny fidorohana. Ilay voambolana « tsara » hiantsoana azy mihintsy no hisintona azy hanao ny tsara hatrany.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: