Tolom-panafahana 1947 : ny vahiny no liana amin’ireo asa soratra

Hotontosaina ao amin’ny Espace Saint Michel, Paris, anio 31 marsa 2023, ny fampisehoana ny sarimihetsika “Fahavalo” sy ny fanolorana ny boky “Feux, fièvres, forêts”. Asa soratra roa samy mitantara ny zava-nisy nandritra ny tolom-panafahana 1947, ary samy nanaitra ny vahiny, indrindra ny tao Frantsa. Ny boky izay nosoratan-dRanja­noro Marie, raha Paes Andriamonta Marie Clémence kosa no nanatontosa ny horonantsary.
Mbola teo am-pikarakarana ny fanatontosana dia efa nahaliana ny vahiny ny horonantsary “Fahavalo”. Anisan’ izany i Fabrice Riceputi, mpahay tantara, nandalina mano­kana ny tantara nandritra ny fanjanahantany. Nisy ihany koa ny hetsika lehibe nampirantiana ity horonantsary ity rehefa nivoaka izany. Anisan’izany ny “African Diaspora Film Festival” (ADFF), ny taona 2022. Teo ihany koa ny “Festival Film Dokumenter” (FFD) Jodja sy ny “Festival du Film de monde” andiany faha-42.
Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny boky “Feux, fièvres,  forêts”. Ny 23 marsa 2023 no nivoahan’ity boky ity. Maro no tonga nanjifa azy ary nisy tamin’ireo no tonga avy lavitra, hividy izany. Ny volana novambra 2022 dia efa nisy nanao famandrihana raha ity volana marsa ity vao nivoaka. Anisan’ny fampirantina nandraisan’ity boky ity anjara ny “Salon du livre Africain de Paris” andiany faharoa, natao tao Paris, ny 17 marsa 2023.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: