Fankalazana ny faha-40 taona : hamelona ny tsiaro anaty seho miavaka i Poopy

Ny taona 1983 no nahenoana sy nahitana an-tsehatra voalohany an’i Poopy… Maro ny nitranga teo
amin’ny lalany tanaty mozika nandritra izay, ka rariny raha homarihina amin’ny fankalazana manetriketrika izany. Seho goavana no homanin’i Poopy sy ny ekipany, ny 30 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hamerenana ny faha­tsiarovana rehetra tao anatin’izay 40 taona izay ny seho, ka vinavinaina haharitra eo amin’ ny adiny dimy eo izany. Seho izay anisan’ny ho lava in­drindra tamin’ireo 1.500 mahery izay notontosain’ ity mpanakanto ity tao anatin’izay 40 taona izay. Rariny anefa, satria fankasitrahana ireo mpankafy izay nana­raka tsy tapaka azy izany.

Tsy ho latsa-danja tamin’ izay efa nisy ny seho, raha ny fampanantenan-dry zareo Théatrône, mpikarakara. Ireto farany rahateo no nandray an-tanana ny lafiny famokarana rehetra ma­hakasika an’i Poopy, na­nom­boka ny taona 2020. Ani­san’izany ireo rakitsary maromaro izay narahin’ny mpankafy tao amin’ny pejy Facebook « Poopy, la voix du cœur ». Misy ny zava-baovao maro, saingy misy koa ireo fanao hotazomina, raha ny nambaran’ny mpikarakara hatrany. Eo, ohatra, ny fisian’ireo mpandihy izay efa maro no niray se­hatra tamin’i Poopy sy ny tariny. Eo koa ny fitafy an-tsehatra izay sady miovaova no tsy manam-paharoa, ka iantsorohana vahiny mpamoron-damaody iray izany amin’ity.

Zo ny Aina

Partager sur: