Fikambanana Ranovory: mivoy ny haiady sy kolontsaina malagasy

Fikambanana mifototra amin’ny fandalana ny kolon­tsaina, ny fivoizana ny haiady malagasy ary ny zara hasina ny Ranovory. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao malagasy, izay hotontosain’ny fikambanana ny 2 avrily ho avy izao, eny amn’ny INJ Carion, manomboka amin’ny 9 ora maraina. « Hanasanay ireo mpikambana rehetra, iarahana amin’ireo zanaky ny tanàna ao amin’ny kaominina Nandihizana, ny vondron’olona ifotony ary ireo rehetra vonona hivoatra am-pahavitrihana, am-pitiavana ary am-pahamarinana izany », hoy ny filohan’ny fikambanana, Rako­toniaina Anny Rivers.
Nanomboka tamin’ny taona 2008 izay nijoroany, mandray andraikitra amina sehatra maro eo anivon’ny fiarahamonina ny fikambanana Ranovory. Ankoatra ny fitaizana ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy, eo koa ny fampianarana ny tanora amin’ny fahaizana mitondra tena toy ny fanalana izay vonona amin’ny fandraisana zava-mahadomelina. Tsy latsa-danja ny fandalinana ny fanajana ny kolontsaina, toy ny kabary, hainteny, sns. Miara-dalana amin’izany ny fampivoarana ny fiainan’ny mpikambana sy ny fampandrosoana ary ny fandraisana andraikira eo anivon’ny firenena.

Zo ny Aina

Partager sur: