Miaka-bidy saika isan-kerinandro ny legioma eny amin’ny tsena eto an-dRenivohitra, araka ny fanadihadiana. Ny legioma no tena midangana indrindra ny vidiny. Efa mahatratra 5 000 Ar ka hatramin’ny 6 000 Ar ny tongolobe 1 kg arakaraka ny habeny. Mandeha amin’ny kilao ny fivarotana ny karaoty ka 4 000 Ar ny 1kg, 1 000 Ar vao mahazo karaoty singany roa. 4 000 Ar ihany koa ny kilaon’ny “haricot vert” sy ny kaorizety salantsalany. 3 000 Ar ny voatabia iray kilao, 400 Ar raha vidiana amin’ny singany. 2500 Ar ka hatramin’ny 3 000 Ar ny ovy 1 kilao fahandro sy fanendy. 1 000 Ar ny tongololay efa vita vaofy iray kapoaka “madco”.
Ireo anana samihafa, 500 Ar vao mahazo iray fehezany ary misy ireo mandeha amin’ny kilao toy ny épinard sy ny anana vahiny vao nampidirina teto amintsika taty aoriana. Sahirana ny renim-pianakaviana efa nanao kajikajy ny vola hatokana amin’ ny laoka satria miova isan’ andro ny vidin’ny akora rehetra eny amin’ny tsenan’ny fokontany. Ny hena efa antsasany na fahefan’ny kilao sisa no vidiana fa ny fangarony no atao misimisy nefa nisondrotra tsy araka ny niheverana azy.
Ireo mpikarakara sy mpivarotra hani-masaka efa ela no nampiakatra ny vidin’ny vary iray lovia. 4500 Ar ka hatramin’ny 6 000 Ar ny vidiny raha trondro, henan-kisoa na akoho ny laoka safidian’ny mpihinana. Ampifangaroana koa ny vary makalioka sy ny vary nafarana handrahoana miaraka ho an’ny mpisakafo satria efa 3500Ar ny kilaon’ny vary vokatra eto an-toerana.
Vonjy A.