CUA – Tetikasa Sandratra : raisina an-tanana ireo vehivavy marefo…

Mifarimbona amin’ny fanohanana ireo vehivavy marefo ny orinasa maromaro miaraka amin’ny CUA amin’ny alalan’ny tetikasa Sandratra.

Tanterahina ao amin’ny boriborintany I, III ary IV ny tetikasa Sandra­tra izay handraisana an-tanana manokana ireo vehivavy marefo, tokantena ary niala an-daharana tamin’ny fianarana. Fiaraha-miasan’ny kao­minina Antananarivo Reni­vo­hitra sy ny Aide et Action ary vatsian’ny AFD sy ny Groupe Filatex vola ny tetikasa.
Tanjona ny hanomezana tantsoroka ireo reny ireo mba hahafahany mampiakatra ny fahatokisan-tenany, miditra ao anaty fiaraha­monina ary ialana amin’ny fanilikilihana. Ankoatra izay ny fampananana asa, hahatonga azy ireo ho mahaleo tena ara-pivelomana ka tsy ho vesatry ny fiarahamonina intsony.
3 taona ny faharetan’ny tetikasa ary vehivavy, reny tokantena miisa 900 eo no hisitraka ny tombontsoa amin’ izany.
Nihaona sy nifanakalo he­vitra ireo orinasa maromaro, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely nidinika ny fampandehanana ny to­hana ho an’ireo reny ireo. Nampahafantarina ireo orinasa ny tetikasa Sandratra sy ny mety ho tombontsoan’ ireo orinasa miaraka amin’ ny tetikasa. Teo koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa mahakasika ny fanofanana sy fandraisana ireo vehivavy reny to­kantena ireo hiasa sy hianatra asa ao anatin’ny orinasa.
Nilaza ny tomponandraikitry ny tetikasa fa efa nisy amin’ireo vehivavy reny ireo no efa manana asa vokatry ny fiaraha-miasa, izay misy eo amin’ireo orinasa mpiara-miombon’antoka.
Rehefa tapitra ny 3 taona dia ny kaominina Antana­narivo Renivohitra indray no hanohy ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy marefo ireo ka hampahaleo tena azy hanana fidiram-bola mahavelona ho an’ny ankoho­nany.

Tatiana A

Partager sur: