Tsenan’Anjoma sy ny Esplanade : nihaino ny feon’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna

Manohy ny fitetezana ny tsena eto Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsi­to­haina Naina, miaraka amin’ ny ekipany. Teny amin’ny tse­nan’Anjoma sy ny Espla­nade indray ny tenany omaly. Mihaino ny feon’ny mpi­varotra izy ary mitondra ny vahaolana izay azo tanterahina avy hatrany.
Tetsy amin’ny tsenan’ An­joma, nangataka ireo mpivarotra amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasan’ ny tsena sy ny manodidina, ny fanalalahana ny lalana miditra ao an-tsena mba hialana amin’ny mpanao sinto-ma­hery izay mampitaraina ny mpiantsena sy mba hahasarika ny mpividy hiditra anaty tsena ara-dalàna.
Efa manana karatra ara-dalàna sy mandoa haban-tsena amin’ny kaominina avokoa ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Anjoma. Ma­rihina fa efa nahavita fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ ny ben’ny Tanàna ny Fikam­banan’ny mpivarotra An­joma Mitambatra.
Teo amin’ny tsenan’ny Esplanade Analakely sy ny manodidina kosa dia naha­tsapa ireo mpivarotra fa nisy ny tombontsoa azon’izy ireo tamin’ny fidinan’ny ben’ny Tanàna teny an-toerana, izay nihaino ny fitarainan’ny mpi­varotra amin’ny fanamboarana, ny fanadiovana ary ny fandaminana ny tsena.
Hita anefa fa mbola maro ireo mpivarotra tsy manaraka ny laminasan’ny kaominina Antananarivo izay to­kony hanara-dalàna. Manoloana ny fitaraina sy ny zava-misy teny an-toerana dia hisy ny fandaminana hatao eo amin’ ny tsenan’ny Esplanade sy ny manodidina ary hamafi­sina amin’izany koa ny fefy sy ny hidin’ny tsena. Tanjona amin’izany ny fitandroana ny fandriampahalemana, araka ny fanazavana nentin’ny fi­lo­han’ny fikambanana Ezaka.
Hanao fivoriambe ireo mpivarotra hijerena ny marimaritra iraisana ho fanamafisana ny fandaminana sy ny fanatsarana ny tsena izay antom-piveloman’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: