Fanehoana voka-pikarohana : nahavita ny « Valiha tory roapolo » i JoanValiha57

Nitombo iray indray ny voka-pikarohana momba ny valiha. Tsy najanon’i JoanValiha57 teo amin’ny tory folo ny valiha fa novelariny tamin’ny tory roapolo. Milaza ny heviny sy mampahafantatra ity zava-baovao ity izy…

Fikarohana tao anatin’ny taona maro ! «Tendry Valiha tory roapolo in­dray no fikarohana vitako. JoanValiha57 ny anarana nosafidiko hilalao azy ity. Valiha tokana velona lalandava no lalaovin’olon-droa toy ny mpinamana, mpifankatia… Tahaka ny maheno valiha roa miara-miritsoka ny feony». Io ny fikarohana vaovao hitan’i Johanvaliha Randrianasolo, mpikaroka, mpitendry, mpampianatra zavamaneno. «Ho­zaraiko avy hatrany aminareo izany talentako izany anio sabotsy 1 avrily izao, manomboka amin’ny 11ora, eny amin’ny ZEN Resto Snack Loisir Ambohimangakely. Kaon­seritra mitondra ny lohahe­vitra hoe «Mozika ho an’ny Fahamarinana» no atolotro amin’io fotoana io. Arahina fiaraha-mitafatafa sy kilalao izany…», hoy i JoanValiha57. Hanotrona an’i JoanValiha anio i Mbelo, Faby, Henitsoa, Princy, Fy, Jhay, Haja ary ny mpianatra.

Mitondra vokatra tsara eo amin’ny fiarahamonina

«Mitondra fahasalamana haingana sy fahiratan-tsaina ho an’ny olona rehetra ny fihenoina sy fitendrena azy ity, noho izy sady mikarantsana no miangola… Feon-kira milamindamina no tsara hiangaliana aminy. Ao anatin’izay fitendrena valiha izay ihany koa, tendry Valiha Tory roapolo hatrany ny fiantsoko sy entiko hamaritana io fitendrena heveriko ho mampiavaka ahy io», hoy i Joanvaliha. Faheno ny «valiha torifolo». Eto kosa tory roapolo. An­koatra io anefa, tendry Valiha tory roapolo ihany koa ilay izy, sady kapohina no tendrena ary indrindra izy tsy mifidy gadona. Tsy mahazo mampiasa «effet» fa lalaovina amin’ny heriny iray manontolo ity zava-maneno ity.
«Nampiarahiko amina kilalao vato (tsobato na kifanga) ity valiha ity ka nanjary nahenona fiainana vaovao eo amin’ny tontolon’ny zavamaneno», hoy hatrany izy. No­hamafisiny fa «efa mahazatra ahy ny mandrindra ny hirako miaraka amin’ireo zavamaneno maoderina. Tapaka ny hevitro fa hampiaraka sy hampihaona ao anaty rindram-peo izany feo maro izany. Anisany ny valiha, gitara, gitara mandeha herinaratra, vata maro hafitsoka, aponga maro anaka, aponga, korintsana, angorodao tendry gasy, gitara beso ary ilay vato kilalao nanjary ho zavama­neno».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: