60 taona niangaliana ny bagasy : hizara ny traikefany amin’ny tendry gitara i Kolibera

Andrarezin’ny tendry gitara. Azo fehezina amin’izay raha hiresaka ny momba an’i Kolibera. Feno 60 taona mantsy izao no nifehezany izany tendry gitara bagasy izany. Mbola manohy hatrany izy, kanefa tsy mitsahatra ny mizara ny traikefany ihany koa. Tafiditra anatin’izay fampitana talenta izay ny atrikasa bagasy, izay hotarihiny ra­hampitso, etsy amin’ny Resto New-Para, Ivato.
Miandry ireo mpitendry gitara, matihanina na tsia, izay liana amin’izany fizarana traikefa izany i Kolibera, ma­nomboka amin’ny 10 ora atoandro. Efa maromaro ireo nisoratra anarana mialoha, satria tsy matetika no misy ny toa izao. Tsy ny fomba fitendry fotsiny ihany no hozarain’ ity andrarezina ity fa ny tantaran’ny bagasy an-gitara koa.
Ankoatra ny atrikasa, ha­rahina fampisehoana ny fotoana, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mpanakanto maro no hanotrona an’i Ko­libera mandritra izany. An­koatra ny tarika Kolibera, hifandimby eo ry Benny sy Bebey, Ifanihy, ny tarika Levelo, Lilie, ny tarika Manan’Art, ny tarika Solanga, Herinjatovo, Solofon’ny Ela, Tarika Efajoro, Baindadah, Eric Rason, sns.
Hovelomin’izy ireo amin’ izany ireo hira noforonin’i Kolibera. Eo koa anefa ireo hira bagasy tranainy, izay nofolahina tamin’ny gitara. Mazava loatra fa samy hanao ny sanganasany ihany koa ireto mpanakanto hanotrona an-dRakaoly ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: