Madagaslam : anisan’ny mitaiza sy manabe ny Slam

Tontosaina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika “Scène Slam”, fanaon’ny IFM miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam, isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra mandritra ity seho ity. Misy kosa ny fepetra sy ny fitsipika
fandraisana anjara hisian’ny firindrana mandritra ny fampisehoana. Ny fikambanana Madagaslam sy ny IFM izay miray tanjona amin’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny kolontsaina.
“Anisan’ny haikanto maro raisina sy manampy amin’ny fanabeazana ny Slam, indrindra ho an’ny ankizy.” hoy Tajero, mpiangaly Slam. So­mary very toerana ity haikanto ity tato anatin’ny fotoana vitsy. Manomboka mamerina ny hetsika rehetra nampiavaka ny Slam kosa ny tomponandraikitra ankehitriny. Anisan’ izany ny fifaninanana Slam eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa. Eo iha­ny koa ny seho iaraha-miasa amin’ny ivontoerana samihafa toy ny IFM Analakely.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: