Mifarimbona ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNF PA) eto Madagasikara ùiaraka amin’ny tohana ataon’i Etazonia amin’ny fanampiana ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinananan’i Madagasikara.
Miatrika haintany sy rivodoza ireo vehivavy ireo ary marefo amin’ny lafiny maro. Hisitraka fanampiana ho fisorohana sy fanohanana ny fanararaotana ara-nofo ihany koa izy ireo.
Ny sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) dia nanome famatsiam-bola mitentina 2 tapitrisa dolara ho an’ny UNFPA izay miasa eo anivon’ny distrika 12.
Ny distrika tsirairay dia niaina loza voajanahary miverimberina izay nanimba ny vokatra ara-pambolena sy ny fivelomana ary nampihena ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana fototra.
Ireo toe-javatra ireo dia matetika mitarika disadisa sy herisetra ao an-tokantrano, fampanambadiana zanaka aloha loatra, tsy fahampian’ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, ary mitarika indrindra ireo renim-pianakaviana handray fepetra tsy fidiny mba hamelomana ny zanany.
Am-perinasa ny Clinique Mobile
Nividy toeram-pitsaboana “Cliniques mobiles” miisa telo ny UNFPA mba hisorohana ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo. Olona maherin’ny 100.000 no hisitraka fitsaboana amin’ny alalan’ny “Cliniques mobiles”, anisan’izany ireo olona manana fahasembanana maherin’ny 2.500.
Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy ary ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo dia mijanona ho laharam-pahamehana lehibe, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy atahorana hiharan’ny herisetra”, hoy i Miranda Tabifor, solontena mpisolo toerana eo anivon’ny UNFPA eto Madagasikara.
Hapetraka any amin’ireo vondrom-piarahamonina lavitra tobim-pahasalamana ireo mba hanome tolotra ara-potoana sy tena ilaina ho an’ireo mponina ireo mba hiantohana ny zo fototra ho an’ny rehetra.”
Hanitatra ny fiofanana ho an’ny manampahefana eo an-toerana momba ny fisorohana ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo ny tetikasa. Olona maherin’ny 19.000 no efa nahazo ireo tolotra ireo, anisan’izany ny fandrindrana fiainam-pianakaviana sy ny fanondroana izay ahafahan’ireo niharam-boina hianatra ny zony sy ny fidirana amin’ny tolotra manome fiarovana amin’ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo.
Amin’ny faran’ny taona 2023, ny UNFPA dia manantena ny hahatratra 170.000 mahery amin’ireo olona 2,23 tapitrisa any amin’ny faritra iasan’ny tetikasa.
Tatiana A