Nirefotra ny basy teny Anosizato andrefana, ny sabotsy teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo. Olon-dratsy telo lahy no niditra toy ny olon-drehetra tamina tokantrano iray teny an-toerana. Nirongo basy ireto mpanafika ka nandroba vola tao amin’ireo tompon-trano. Taorian’izay, nitsoaka ny olon-dratsy. Nahazo antso avy hatrany ny zandarimaria ka nanenjika azy ireo. Voadaka tamin’izay ny iray tamin’izy telo lahy ka nitifitra nikendry ilay zandary ny namany raha nahita izany. Nahay niala anefa ilay mpitandro filaminana ka nahazo lehilahy mpivarotra amoron-dalana ny bala. “Maty teo no ho eo ilay mpivarotra raha tafaporitsaka kosa ireo mpanafika”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Nambarany fa tsy mbola voafaritra mazava ny vola voaroba tamin’io fotoana io saingy tafaverina amin’ny tompony ny ampahany. Minitra vitsy taorian’ny zava-nisy, tonga nijery ny vata-mangatsiakan’ilay tsy nanan-tsiny ny mpitsabo. Fantatra tamin’izay ny momba azy raha mbola hatao hazalambo kosa ireo nahavanon-doza.
Henintsoa Hani