Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Befandriana Avaratra, ny zoma teo, ny olona roa voarohirohy ho mpanaparitaka sady mpanamboatra vola sandoka. Voalazan’ny fampitam-baovao, miely ny feo fa misy andian’olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanànan’i Befandriana Avaratra. Nanao ny fitsongoan-dia ireo jiolahy ahiahiana ny polisy. Nohamafisina ny fisafoana ireo fitaovam-pitaterana mifamezivezy, indrindra ireo taksiborosy mivoaka sy miditra ny tanàna. Nandritra izany no nahatrarana ireo olona roa teo anoloan’ny biraon’ny firaisana, anaty fiara taksiborosy 4×4 iray. Nanao ny fisavana ireo mpandeha ny polisy ka nahita azy somary kaodikaody tamin’ny fahitana ireo mpitandro filaminana. Hita tany amin’izy ireo ny vola sandoka enina, amina ravim-bola 10 000 Ar ny dimy ary ravim-bola 20 000 Ar iray. Nosamborina izy ireo ka nentina eny amin’ny biraon’ny polisy. Ny famotorana no nahafantarana fa efa nisy olona tratran’izy ireo tamin’ny fanaovana vola sandoka tao amin’ny kaominin’ Ambodimotso ka tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy. Nahitam-bokany izany ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy roa izao. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ity raharaha ity.
Jean Claude